Feno roa taona anio talata 8 martsa ny nikomian’ny miaramila tao amin’ny tobin’ny CAPSAT Soanierana ka nivoahan’izy ireo izany toby izany niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy tsy naneken’izy ireo intsony ny handray baiko avy amin’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana Atoa Marc Ravalomanana sy ny CEMGAM ny jeneraly Rasolomahandry ary ny ministry ny fiarovana ny Vice-Amiral Mamy Andrianaivoniarivo.
Nambara tamin’izany fotoana mantsy fa hoe hanafika ny tobin’ny Capsat eny Soanierana, hono ny GP na ireo mpiambina manokana ny filoham-pirenena, miaraka amina mersenera vahiny koa dia nivoaka ny hiaro tena ireo miaramila notarihan’ny kolonely isany Rakotonandrasana Noel. Nazava teo ny resaka fa nitatra hatrany amin’ny foloalindahy ny krizy politika ary nahazo hery ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina satria nanohana azy ny ampahany tamin’ny tafika. Roa taona aty aoriana dia mbola ao anatina krizy sy mety vita isika, tsy nilamina araka ny niheverana azy ny foloalindahy, na dia teo aza ny fanondrotana galona, fampiakarana ny karama sy ny tambin-karama, niampy fiazarana akanjo sy kiraro ary fitaovana.
Vao mainka miha nitombo aza ireo manamboninahitra sy miaramila tsotra naiditra am-ponja, nolazaina fa nanongam-panjakana mivantana na an-kolaka. Ny mahagaga ny mpanara-baovao dia toa nangina ireo nosokajiana fa zokibe fitaratra eo anivon’ny foloalindahy. Singanina manokana eto ny fikambanan’ireo jeneraly misotro ronono (COGER) tarihin’ny Jeneraly Razafitombo Léon Evariste, izay mpikambana ao amin’ny Raiamandreny Mijoro ankehitriny, sy ny fivondronan’ny Ombimanga isan’andiany, ka anisan’ireny ny jeneraly Ramandazafy, Ombimangan’ny andiany voalohany, na dia efa am-polony aza ireo manamboninahitra ambony fonjaina eny Tsiafahy, ary misy Ombimanga amin’izy ireo. Manaiky ve matoa tsy miteny, sa te hiteny ihany saingy tsy afa-mihetsika noho ny ramatahora ? Mbola mitohy moa ny fanadihadiana momba io raharaha fikomiana sy ambara fa fanonganam-panjakana naha voarohirohy ireo miaramila ireo.
Raha ny marina dia fitsarana miaramila fa tsy fitsarana sivily no mandray an-tanana ny raharaha, satria olana ara-miaramila tao anaty toby miaramila, na ny teny amin’ny FIGN na ny teny Ivato. Raha ny tokony ho izy ihany koa dia tsy any amina “Maison de Force” tahaka ny eny Tsiafahy no hihazonana manamboninahitra ambony tahaka ireny fa amin’ny toerana hafa, ary azo atao tsara any anaty toby izany. Tsikaritra ihany koa, roa taona aty aoriana fa voailika tsikelikely ireo manamboninahitra, na avy ao amin’ny Capsat na avy amin’ny vondron-tafika hafa sahy niseho sy nanohana mivantana an’i Andry Rajoelina tamin’ireny 2009 ireny.
Efa any am-ponja, ohatra, ny jeneraly Rakotonandrasana Noel sy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, samy avy ao amin’ny Capsat. Voailika tamin’ny toerany ihany koa ilay kolonely nisahana ny fiarovana ny filohan’ny tetezamita. Ary efa miozongozona ny sezan’ny CEMGAM taorian’ny raharaha BANI sy ny savorovoro any anaty toby miaramila maro samihafa any. Eo am-pandaminana ny krizy politika isika izao, ary mety tsy ho ela intsony ny fanasoniavana ilay sori-dalana eken’ny ankolafy rehetra, saingy tena mbola resaka hafa mihitsy ity foloalindahy ity satria tena lalim-paka ny aretina mahazo azy, ary na ireo samy manamboninahitra ambony aza dia zavatra maro no mampifangarika tanteraka mihitsy ny fomba fijerin’izy ireo ny toe-draharaham-pirenena.
Mipetraka eto ny fanontaniana : ho mafy fototra ve ny Repoblika faha-IV raha toa ka mbola anjakan’ny valifaty ao an-tsaina sy ao am-pon’ny miaramila ? Raha mifanaraka ny mpanao politika, afaka hihavana marina ve ny foloalindahy ka hiverina ho iray ? Fa ny tena fanontaniana goavana tokony hampieritreritra ny mpitondra tetezamita dia ny hoe : fa nahoana no nivadika sahady ireo miaramila nanohana azy roa taona lasa izay ? Inona no antony ary ahoana no handaminana izany. Fa raha sanatria mitohy ny didin’ankolafy tokana fanaon’ny FAT hatramin’izay dia mety ho ratsy ihany ny ho tohin’ny tantara eto satria tsy mitovy mihitsy ny sivily sy ny miaramila na dia samy mahari-pery aza !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.