Solombavambahoaka miisa 72 no nandany ny tolo-dalàna laharana faha 03/2019 mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy, natolotry ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Razafitsiandraofa Jean Brunel, ny talata faha 16 jona 2020 folakandro teny amin’ny CCI Ivato.
Lany 100% io tolo-dalàna io. Natao izany ho fampanarahan-dalàna sy fampanaraham-penitra ireo fepetra famokarana sy famarotana ny toaka gasy, izay hanana anjara toerana eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ho fanandratana ny « vita malagasy ». Ny toaka vahiny hatrany no nahazo toerana izay misy ny jifaina an’hetsiny maro, ka mba hiakatra kianja ho ara-dalàna hifaninanana amin’izay izany ny toaka gasy, izay nohenjehina sy norarana tao anaty lalàna hatramin’izay. Isan’ny mamelona olona marobe amina faritra samihafa eto Madagasikara io. Ny toaka rahateo, dia isan’ny zavatra tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina Malagasy amin’ny ankanpobeny na an-karatsiana io na an-kafaliana. Heverina na izany aza, fa hisy ny fenitra sy ny toromarika mazava amin’ny famokarana io toaka gasy io. Raha tsy misy fiovana dia ny 23 jona izao no tokony handanian’ny eo anivon’ny antenimierandoholona ity tolo-dalana ity ihany koa na tsia mialohan’ny hivoahan’ny fanapahana hivadian’izany ho lalana manan-kery.
Toky R sy J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.