Famokarana herinaratra

Nanjavona ilay 3,5 MW


  • Zoma 29 Mey 2026

nampanantenaina tao Ambositra

Nangina tanteraka tsy nahenoana akom-pivoarana intsony ilay tetik'asa famokarana herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro tao Ambositra Renivohitry ny Faritra Amoron'i Mania. Iray amin'ireo Distrika niisa 38 nampanantenain'ny fitondrana Andry Rajoelina hametrahana "parc solaire" ny tao Ambositra. Nihazakazahana mihitsy ny fikarakarana ny toerana hametrahana azy io tao amin'ny havoana atao hoe : Andraimbe, tany amin'ny volana may sy ny fiandohan'ny volana jona 2023. Velarantany mirefy 3,5ha no nomanina hametrahana ilay "parc solaire" izay hamokatra 3,5 MW. Asa tanamaro (HIMO) no nisantarana azy avy eo dia niditra an-tsehatra nanohy ny asa fanajariana ny velarantany hanorenana io fotodrafitr'asa io ireo fiara vaventy avy amin'ny Faritra. Tsy nisy fivoarany intsony anefa ilay tetik'asa fa nihitsoka teo, mba tsy hilazana fa niato nanaraka ny fitondrana teo aloha. 1,4 MW eo ny filana herinaratra ao Ambositra. Mandeha amin'ny solika ny vondrona mpihary herinaratra misy ao. Miaina delestazy rehefa misy fahatarana ny famatsiana solika na koa fahasimban'ny milina. Heverina fa vahaolana ary mbola andrandrain'ny mponina ao Ambositra ny hamitana ity tetik'asa fametrahana "parc solaire" ao Andraimbe ity, ary afaka amatsiana ireo tanàna manodidina ihany koa.
Jean D.
Ilay toerana ao Andraimbe nokasaiana hametrahana "parc solaire" hamokatra 3,5 MW

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT