Famokarana herinaratra

Nangina ilay toby mandeha amin’ny masoandro 47


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Nangingina tsy re tsaika intsony indray aloha ny tohin’ilay tetikasa 50MW

amin’ny alalan’ny fananganana toby mpihary herinaratra 47 amin’ny distrika 18 nanaovana serasera ny volana aprily. Noraisina tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny 18 aprily ny fitaovana . Hiompana amin'ny fanamboarana foibem-pamokarana herinaratra, ka tombony lehibe ho azo aminy ny fanenana ny fandaniana solika ho an'ny Orinasa jirama. Nambara mihitsy aza fa 70MW isan-taona ny herinaratra hovokarin'ireo takelaka rehetra ireo ka maherin'ny 5 000 000 ny olona hisitraka izany. Mahatratra 1200 miliara ariary isan-taona ny vidina solika hamatsiana an'i Madagasikara, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay nambara fa mifanakaiky amin'ny vola ampiasaina amin'ny fanaovana fotodrafitrasa manerana an'i Madagasikara izay mitentina 1300 miliara izany koa rariny raha mitady vahaolana ny fanjakana. Hiteraka fitsitsiana solika hatrany amin’ny 19 tapitrisa litatra na vola 85 miliara ariary ho an'ny orinasa Jirama. Eo ihany koa ny famerana ny "gaz à effet de serre" izay tafakatra 52 000 taonina isan-taona. Nahatratra 286 miliara ariary ny tetibola tamin'ny fanafarana ireto fitaovana ireto, ary mbola tsy ao anatiny ny fanamboarana ny foibem-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro sy ny fitaterana ny fitaovana any amin'ny faritra hametrahana azy, raha ny serasera natao tamin’izany. Mahatratra 7500 isan'ny takelaby avy min'ny herin'ny masoandro hapetraka. Ny 163 "conteneurs" misy ny fitaovana dia efa tonga avokoa raha 300 no tokony ho avy, hoy ny fampahafantarana tamin’ny volana aprily. Telo volana aty aoriana, mbola baraingo ny hoe : aiza ho aiza ny tohiny sy ny fivoaran’ny tetikasa fa toa ny serasera no natao betsaka dia nijanona hatreo ? Tena mandeha araka ny tokony ho izy sa mandeha ny tsindrin’ireo hery ara-toekerana manodidina ny famokarana herinaratra sy ny tontolon’ny solika ? Betsaka mantsy ny mety ho very tombotsoa eo anatrehan’ny fivadihana makany amin’ny angovo azo havaozina ary betsaka ireo tranga mampiahiahy momba ny gafy na sabôtazy tany amin’ireo toby mpihary herinaratra tsy mandeha amin’ny solika toy ny tranga tao Andekaleka. Sao mba efa mandeha ihany koa ny politika avo lenta hoenti-manome ny Jirama hotantanan’ny tsy miankina ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT