Mandroso ny asa fanatsarana sy fanitarana fotodrafitrasa amin'ny tambazotra mamatsy
herinaratra ao Fianarantsoa, hoy ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo omaly. 80 % amin'ny asa izao no vita, hoy ny fanazavana. Soloina andrinjiro na “poteau en béton” ireo rehetra vita tamin'ny hazo, mitondra herinaratra 63 KV, mampitohy an'i Ranomafana sy Fianarantsoa. Miisa 30 ireo "portiques" nosoloina. Toy izany koa ireo tariby mitondra 20 KV amin'ny distrika miisa 8. Araka ny fanazavan'ny tale iraisam-paritry ny angovo sy akoranafo na DIEH Fianarantsoa, Rasolonirainy Haritiana, dia tanjona voalohany ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ary ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny sehatry ny angovo. Izao dia tafiditra amin'ny tetikasa "Projet National de Réhabilitation Phase 1" sy fanatanterahana ny toromarika tontosaina ao anatin'ny 100 andro. Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa tao Talata Iboaka Fianarantsoa ny teo anivon'ny DIEH Fianarantsoa sy ny solontenan' ny JIRAMA ny 9 Janoary 2024, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Brickaville indray kosa no nidinana ifotony omaly 10 janoary 2024. Anisan'ireo misitraka ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro na “Parc Solaire” na PS ao an-toerana. Hamokatra 1MWc ny PS hatsangana. Tsiahivina fa ny orinasa "HUAWEI" kalaza maneran-tany eo amin'ny sehatry ny herinaratra avy amin'ny masoandro sy ny "LONGI" izay mpamokatra takela-masoandro na “panneaux photovoltaïques” no mpiara-miombon'antoka. Nijery ny toerana hametrahana ny fotodrafitrasa ny tomponandraikitra ao amin'ny ministeran'ny angovo sy akoranafo na MEH niaraka tamin'ny teknisiana eo anivon'ny JIRAMA sy ireo manam-pahaizana vahiny. Efa eny ambony sambo hihazo an'i Madagasikara ankehitriny ireo fitaovana hanatanterahana manontolo ny asa fananganana. Famatsiam-bolan'ny fitondram-panjakana malagasy no hanaovana ny "tetikasa 46 PS" ho tombontsoan'ny ny vahoaka sy hanenana ny fandaniana amin'ny vidin-tsolika ary ho fiahiana ny tontolo iainana, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovaon’ity minisitera ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.