Famokarana herinaratra 50MW

7 volana nihitsoka tao Toamasina ireo fitaovana


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Nanao be fiavy tany Toamasina ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian,

niaraka tamin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ireo rantsamangaika rehetra mirafitra amin'ireo Minisitera ireo, voakasiky ny olan’ny herinaratra ny alatsinainy teo. Nikaon-doha nijerena ny fomba amoahana ao anatin'ny fotoana fohy ireo kaontenera 287 misy ny fitaovana hamokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro 50MW sy ny milina mandeha amin'ny solika mavesatra ilay novidiana tamin’ny Indianianina. Nisy ny fanomezana fe-potoana tsy maintsy hivoahan’ireo entana hatramin’ny anio 13 novambra, ka ny alatsinainy dia efa raikitra ny famoahana. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa tany amin’ny aprily 2024 ireo fitaovana hanaovana parc solaire ireo no tao Toamasina, ary ny Filoham-pirenena mihitsy no nitsena azy, kanefa 7 volana taty aoriana vao io fa hanaovana serasera sy fihetsiketsehana io ilazana fa tena miasa ny Fanjakana. Na ny vola saran’ny fipetrahan’izay tao amin’ny seranana aza ve tsy efa tena nidangana sa natao kopisoroka ny famoahana azy satria an’ny Fanjakana ? Antsiranana, Nosy-Be, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo no hametrahana azy, izay raha ny kajikajy hatrany am-boalohany, dia hapetraka amin’ny toerana 47 eo manerana ny Nosy, hiteraka fitsitsian-tsolika hatrany amin’ny 18 tapitrisa litatra, hampihena 80 miliara Ar isan-taona ny vola tokony hividianana solika ity resaka angovo amin’ny herin’ny masoandro 50MW ity. Na izany aza, mbola mahakely finoana ny hahitana fiovana lehibe avy amin’io noho ny tsy fahampiana na « gap » amin’ny resaka angovo eto izay tena efa latsaka lavitra be vao mikoropaka sy mitanisa vahaolana ny Fanjakana, izay ny fampanantenana manao hafainganam-pandehana TGV, fa ny tena fanatanterahana sy fahatanterahana mbola tahaka ny sokatra. Mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny hoe : hanao ahoana ny fampiakarana ilay milina hamokatra 105MW izay voalaza fa 70 taonina ny iray kanefa 40 taonina eo no zakan’ny RN2 ? Manam-bola hanodinana izany ve ny Fanjakana eo anatrehan’ny solika mety an’aliny litatra hanodinana azy isan’andro ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT