Famokarana «Drone » hitaterana fanafody

Nitsidika ny Aerial Metric ny Ambasadaoro Amerikanina


  • Zoma 12 Janoary 2024

Nitsidika ny Aerial Metric ozinina fanamboarana « drone » eto Antananarivo

ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo ary niresaka momba ireo fomba maro hampiasana drone eto Madagasikara tamin’ny Tale Jeneralin’ity orinasa ity Pierre Loup, ka anisan’izany ny fitaterana vokatra ara-barotra sy vokatra vonjy taitra na ara-pahasalamana ary koa ny famendrahana fanafody hiadiana amin’ny tazomoka, hoy ny tatitra sy fanomezam-baovao. Nomarihina fa ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny tetikasa USAID/IMPACT tanterahan'ny PSI Madagascar sy ny famatsiam-bola avy amin'ny Global Fund, dia manohana ny rafi-pirenena famatsiana ara-pahasalamana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny « drone » mba hanamafisana ny fahatongavan'ny fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana any amin'ireo vondrom-piarahamonina lavitra sy saro-dàlana. Raha ny fanazavana ara-teknika, afaka mitondra hatramin'ny 10 kilao isaky ny sidina ny « drone » iray ary afaka mandeha lavitra hatramin'ny 100 km. Nahafahana nitatitra fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana maherin'ny 6,000 kilao tany amin'ny distrika miisa 14 ary manerana ny faritra 5 ireo sidina « drone » maherin'ny 3,900 no vita hatreto ka anisan'izany ny fitaterana vaksiny ho an'ny ankizy miisa 476,000 ary ny vaksiny Covid-19 miisa 49,000 mahery. Manokatra sehatra vaovao hiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ity teknôlôjia ity ary ny fanjakana Malagasy rahateo dia mikatsaka ny hanatsara ny famatsiana eo amin'ny sehatra nasionaly sy ny fampitomboana tolotra ara-pahasalamana any amin'ny faritra ambanivohitra, hoy ny fampahafantarana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT