Efatra (4) tamin'ireo zotra MT
Moyenne tension) iraika amby roapolo (21) nisy fahavoazana, noho ny orambe teto Antananarivo sisa no narenina omaly. Efa tafaverina amin'ny laoniny kosa ireo zotra fito ambiny folo hafa. Manao ny ezaka rehetra ireo teknisiana hanafainganana ny asa mba hamerenana amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana ireo. Izay ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny JIRAMA. Efa mba tsy nisy ilay hoe andiam-borona na papango nipetaka tamin’ny tariby intsony kosa aloha. Fa io ny zava-misy miampy ilay tsy fahampian’ny tosiky ny rano any Andekaleka dia misy ilay delestazy 1 ka hatramin’ny 3 ora amina faritra maro ao anatin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo.
ANGOVO MADIO SADY MAHARITRA
Efa niezaka ary mbola miezaka ny Jirama, fa ireo oniversite 6 manerana ny nosy kosa dia efa nahazo fitaovana famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ka vitaina ao anatin’ny 2 volana ny fametrahana azy ireo. Tsy mila hoe ambony na ambany ny rano, fa rehefa misy hazavana dia efa miasa ny fafana ary mitahiry herinaratra ireo vatoaratra. Ny birao fiasana sy efitrano fianarana ary ny toerana misy ireo trano fonenan’ny mpianatra no misy ireo « plaques solaires » ireo, mitotaly 1MW manerana an’i Madagasikara, fanombohana fotsiny io fa azo atao tsara ny manampy ny tanjaka miankina amin’ny vola eo am-pelatanana.Ary azo atao any amin’ny tokantrano sy orinasa ny « plaques solaires » izay angovo madio, tsy misy faktiora isam-bola intsony.Fitsirihana indray mandeha isaky ny enim-bolana no mila atao. Ny taona 2023 fony izy kandida ho filoham-pirenena no efa nanaitra ny sain’ny rehetra i Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny antoko Tia Tanindrazana hoe misy ny vahaolana amin’ny delestazy dia ny fampiasana ny «angovo azo avy amin’ny masoandro ». Izy izay manana oniversite tsy miankina momba ny informatika mampiasa « plaque solaire », izany hoe zavatra efa natao ary hita fa mety ilay izy no sady tsy lafo kanefa mateza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.