Famokarana angovo azo avaozina

Vonona ny Alemana, asa izay ho afitsoky ny fanjakana Malagasy


  • Zoma 08 Martsa 2024

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH)

Atoa Jean-Baptiste Olivier, teny amin'ny toeram-piasany teny Ampandrianomby omaly ny Delegasiona notarihan' ny Masoivohon'ny Repoblika Federalin'i Alemana eto Madagasikara Atoa Michael Häusler. Niaraka taminy ny Tale Jeneralin’ny « Africa GreenTec Madagascar », Atoa Moritz Brauchle, sy ny Lehiben’ny Tetikasa GIZ-PERER, Atoa Carlos Miro.

Nivoitra nandritra ny fihaonana fa anisan’ny laharam-pahamehana amin'ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fampiroboroboana ny angovo azo avaozina, indrindra ny fampidirana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra izay dia handray anjara mavitrika amin'ny fanampiana ara-tsosialy koa ireo orinasa sy Tetikasa Alemana izay misehatra amin'ny angovo eto Madagasikara. Hita ho manao ankisisika mafy ry zareo Alemana amin’ity resaka ity, ry zareo rahateo izay anisan’ny henjana ain’ny resaka angovo azo avaozina ary efa elaela ihany no niasa teo amin’ny sehatry ny famorakarana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra.

Manana ny Alemana raha resaka angovo azo avaozina, saingy hatreto dia mbola azo ambara hoe maivamaivana ihany ny fiaraha-miasa. Ny tsy fananan’ny fanjakana Malagasy programa matotra tsara no mety mahatonga izany raha ny resaka re, fa eo dia eo ihany koa ny olana eo amin’ny resaka fitantanana sy mangaraharaha. Io moa no olana lehibe ho an’ireo mpamatsy vola tandrefana amin’ny mpitondra eto Madagasikara, indrindra fa taorian’ny zava-nitranga teto ny taona 2009.

Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT