Actualités

Famokaram-bary any Alaotra Harovana ny “nofon-tany”


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo tany Ambatondrazaka ny atrikasa iray handinihana ny paik’ady, hahafahana manohy ny tantsoroka natao tamin’ny tantsaha any Alaotra momba ny fiarovana ny nofon-tany.

Taorian’ny fahataperan’ny tetikasa Bvlac  tamin’ny taona 2013 dia sanganehana ireo tantsaha izay mpahazo tombontsoa tamin’io tetikasa io. Ankehitriny, raikitra fa hapetraka any Alaotra ny tetikasa iray haharitra sivy volana, izay heverina fa hanohy ny zavatra tsara vita tamin’ny tetikasa Bvlac. Ny GSDM izay mivoy ny voly rakotra no miara-miasa amin’ny orinasa SD MAD handrindra ny asa rehetra mandritra ny sivy volana. Zava-dehibe ny fiarovana ny nofon-tany satria antoka iray hahafahana mampitombo ny voka-bary. Rehefa mitombo ny vokatra dia mety ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Fantatra fa io tetikasa io no hanomanana ny famatsiam-bola manaraka, hahafahana manatsara ny tantsoroka ho an’ireo tantsaha ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Tonga tany Ambatondrazaka mihitsy ny filoha mpanatanteraka ny Gsdm Atoa Rakotondramanana, nihaino ny feo avy amin’ireo tantsaha mahakasika ny zavatra mbola hotohizana tamin’ny tetikasa Bvlac.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT