Mbola misy ny fisalasalana momba ny « rapport d’expertise » nataon’ny Professeur Pascal Kintz,
izay voalaza fa natokisan’ny fitondrana hanao ny « analyse toxicologique » tamin’ny tranga Ambohimalaza. Namoaka dosie heverina fa stratejika ny Mpitsara teo aloha Fanirisoa Ernaivo omaly, nilaza fa methanol no hita tao anaty « suc gastrique » an’ny iray tamin’ireo niharam-boina izay tsy fantatra anarana, ary io no valin’ny analyse nampiasain’ny zandary, fitsarana, ary mpitsabo amin’ny fanadihadiana. « Mbola averiko ihany « ity analyse » ity dia ao anaty dosie eny amin ny fitsarana ary io no nampiasain’ny zandary sy fitsarana ary ny mpitsabo tamin ´io raha raha Ambohimalaza io ary raha Mahasahy miteny ny Doyen des Juges sy ny Procureur Narindra fa tsy io no ao anaty dosie dia ento ny porofo !!! Asehoy anay fa tsy ao io! », hoy ity Mpitsara teo aloha henjehin’ny Fanjakana ity. Mbola nampiany hoe : «Samia mandinika ato hoe misy belladone sy datura ve ve ao anatin’io analyse io sa nilatsaka avy tany an-danitra le hoe belladone sy datura? ». Amin’ny ankampobeny, voalazan’io fa ny valin’ny fanadihadiana ara-pitsaboana dia manamafy fa tsy nisy alikaola mahery vaika na akora simika hafa hita tao amin’ny rà. Ny methanol hita tao amin’ny atiny no manamarika ny loza mety nahatonga ny fahafatesana,… Tsy azo hamaivanina ny mety ho fahamarinany na ny fahadisoany, ka andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny Fanjakana raha hisy. Betsaka ny zavatra nifamahofaho, raha tsy hilaza afatsy ny fanizingizinana fa avy amin’ny donut kanefa nisy tsy nihinana an’io maty. Tsapa fa toa maro ny zavatra maneho tsy fangaraharana sy mampitombo ny ahiahy. Toa nezahina nampanginina tamin’ny lafiny rehetra moa io raharaha io na dia olona 32 be izao aza no lavo. Noferana ny fahafahan’ireo olona voarohirohy na ny mpitsabo hiteny sy hanazava, fa nofehezina tamin’izay lazain’ny mpitondra ihany no ekena ho marina, noferana ny fahalalahan’ny mpanao gazety tamin’ity raharaha ity,… Omaly 13 Aogositra 2025 moa no noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina tao Iavoloha ny fianakavian’ireo niharam-boina, ho fanomezam-boninahitra sy fankaherezana. Tsy finiavana hisintona lakolosy na hamoa fotamandry fa moa tena hivoaka ve ny marina izay mbola takian’ireo fianankaviana namoy havana hatramin’izao ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.