Efa-bolana katroka izao no nitazonana an-dRavelonanosy Bruno any am-ponja hoy ireo zanany 5 mianadahy.
Fidoboana am-ponja izay tsy mbola hita marina ny vesatra hanenjehana azy hatreto nefa vao herin-taona monja ny zanany farany. Ankoatra izay dia manana aretina mitaiza toy ny diabeta izay efa sokajy faharoa koa ity Raim-pianakaviana ity, ka mila fanaraha-maso akaiky ny fahasalamany. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy 5 mianadahy zanak’i Ravelonanosy ireto tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nohazavainy tamin’izany fa antsojay no mahazo ny Rainy vokatry ny fanamparam-pahefana hataona karana iray mpanam-bola eto amintsika.Araka ny fitoriana mantsy, dia voalaza ho « nanao hosoka sy nampiasa hosoka ny procuration nampiasainy Ravelonanosy Bruno ». Tsy isan’ ireo mpandova nanome procuration akory anefa izy hoy ireo zanany. Eo an-daniny dia ireo fianakaviana nanome ny procuration no niara-nanamarina fa tsy misy hosoka na fampiasana hosoka izany fa tena nanome ny procuration an-dRavelonanosy izy ireo. Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena araka izany izy 5 mianadahy ireo mba hijery akaiky ny famoahana an-dRainy vonjimaika eny am-ponja.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.