Famoahana voafonja

Misy tsy fahefan’ny filohan’ny repoblika


  • Talata 06 Mey 2025

Nisy ireo nilaza ho nihetsi-po ny alin’ny alahady teo, raha niantso ny filoham-pirenena malagasy,

 Andry Rajoelina, ny amin’ny hamoahana voafonja iray raha toa ka nisy tokoa ny famonjàna ilay olona voalaza. Nisy koa moa, tetsy ankilany, ny naneho fa nilalao fom-bahoaka ny filoham-pirenena, raha nilaza izany. Raha ny voafaritry ny lalàna anefa no iverenana dia misy tsy fahefan’ny filohan’ny repoblika ny manome baiko mivantana ny amin’ny tokony hanafahana voapanga tratry ny sazy miantona momba izany famonjàna izany. Voalaza ho fitsabahana ny andraikitry ny fitsaràna izany. Mifanipaka tanteraka amin’ny fotokevitra momba ny fitsinjaràm-pahefàna na «principe de séparation de pouvoir» izay tokony hisarahan’ny fahefàna mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary fitsaràna. Etsy ankilan’izay nefa dia fahefàn’ny filoham-pirenena kosa ny fanomezana zo fanalefahan-tsazy na «grâce présidentiel», araka ny voalazan’ny andininy faha 60 ao anatin’ny lalàmpanorenana malagasy. Izay fahefàna izay no hahafahan’ny filoham-pirenena manalefaka na manafoana ireto didy navoakan’ny fitsaràna mikasika ny voafonja iray na maromaro. Aorian’ny didy fanamelohana navoakan’ny fitsaràna ihany nefa no hahafahany manao izany. Tsy afaka manafoana sazy miantona izy. Ny mpitsara ihany no manana izany fahefana izany sy hamoaka voapanga naiditra am-ponja, raha ny fanazavàna voaray hatrany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT