Niditra tao amin’ny lapa sy niasa tao aho ary ny nifanarahana tao dia ny hanatsara endrika ny prezidansa, ary nazava tsara izany. Raha tiana ny hampandroso ity tany ity dia mila fitoniana ara-politika ara-tsosialy sy ara-politika, ny fifandimbiasam-pahefana demokratika, hoy i Mahery Lanto Mandafy nandritra ny fanehon-keviny tao amin’ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM omaly.
Niady tao amin’ny prezindasa satria ao anatiny ao ihany no misy manao “scandale”, toa an-dry Rocco nanala baraka ny Pasitera Lala Rasendrahasina ary afa-baraka tanteraka izy. Fandresena ve ireny ? Teo ihany koa ny nataon-dry Fidèle Razara Pierre sy ry Lambo Tahiry,.... Niezaka nanatsara sy nanatona ny mpanohitra hisian’ny fifandaminana aho. Ary ny farany dia nanao fametraham-pialana, ary tao anatin’izany nametraka hoe tsy mety ny anaovana an’i Andry Andriatongarivo sy Lalatiana Rakotondrazafy na dia mpanohitra aza, ary tsy nety ihany koa ny nanaovana an’i Augustin Andriamananoro. Tsy nety tamiko ny nolazaina hoe izaho no “Ingahy bemanga” mpanaratsy olona tao amin’ny tambajotra “facebook”. Raha ohatra ka hitondra zavatra dia tsy manaratsy ny mpanohitra fa manatsara ny tenanao mba hahafahanao manapoitra ny zavatra vitanao, saingy takona izany tamin’ity fitondrana ity, hoy izy.
Niseho ny tsy nampoizina
Rehefa niala aho dia nandeha tany amin’ny Free FM. Nihaona tamin’i Andry Andriatongarivo vadin’i Lalatiana Rakondrazafy. Nivoaka ny resaka fa rehefa niala tao amin’ny Prezidansa i Mahery Lanto Manandafy, dia nomena 50 tapitrisa izy ireo mba tsy hanakorontana fanjakana. Nanomboka teo aho no tezitra satria diso fanantenana hoe niady sy niaro azy tao anatin’ny herintaona, hoy ity farany. Ny 6 novambra nandray vola avy eo nilamindamina. Mbola ny fomba taloha ihany no miverina, Fidèle sy Lalatiana niaraka, ry Rocco tao anatiny. Ny ao anaty fitondrana no manakorontana, hay izy ity resaka fikaramana ary in-telo izany ry Lalatiana no nandray vola, raha ny fanazavany. Eto aho dia miampanga an’i Lalatiana sy Fidèle hoe tsikombakomba izy io, ary apetraho ny fomba ratsinareo, hoy hatrany izy. Nodradrain-dry Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny gazety kosa ny momba an’i Mbola Rajaonah, mpanolotsain’ny filoha, izay nambara fa mpanondrana boaderozy ary tafiditra tao anatin’ny raharaha 30.000 bolabola ny taona 2014. Samy te hanana fiara, samy te ho velona. Mba misy etika fa tsy hoe hanaovana “chantage” ny olona manao boaderozy, dia tsy miresaka ny momba izany intsony rehefa mahazo vola ? Samy nilomano tao anatin’ny politika sy ny kajiny avy izy ireo, ary manomboka samy mamoaka tsiambaratelo rehefa niady, izay mety ho fanalahidy mizotra mankany amin’ny fivoahan’ny marina momba ny afera maloto eto, toy ny resaka boaderozy. Tsiahivina fa notorian’i Lalatiana Rakotondrazafy sy Andry Andriatongarivo i Mahery Lanto Manandafy noho ny resaka nambara fa fanalam-baraka tany anaty “facebook”, ka hampanantsoina eny amin’ny Borigadin’ny zandarimaria Betongolo anio zoma 20 oktobra 2017. Tsy maninona ary miandry tanteraka aho ary afaka mifampitory eny amin’ny fitsarana isika. Marina fa manana namana ny SMM izy fa tsy mampaninona ahy izany, hoy i Mahery Lanto Manandafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.