Actualités

Famoahana tsaho amin’ny facebook Raikitra ny fanenjehana


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Feno 56 taona anio 30 septambra 2017 ny naha polisim-pirenena Malagasy ny polisim-pirenena Malagasy.

Ho fanamarihana izany dia natomboka tetsy amin’ny tranombokim-pirenena omaly ny fampirantiana narahina fampisehoana isan-karazany nataon’ireo sampan isanisany ao anatin’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena. Polisy manakaiky hatrany ny vahoaka no filamatra, hoy ny minisitry ny filaminana anatiny, Jean Jacques Andrianisa. Ao anatin’ireo dingana harahana mba hahatongavana amin’izay tanjona izay ny fametrahana fomba fiasa vaovao isan-karazany sy fanohizana ireo izay efa hita nahomby nefa somary nangingina tao ho ao, toy ny fanaraha-maso ireo toerana mafampana izay mety harahana fisavana mihitsy. Isan’ny tetikasa efa manangasanga kosa ny fandraisan’anjaran’ireo polisy vavy amin’ny fampitana mpianatra amin’ny arabe rehefa hiditra sy hivoaka amin’ny efitrano fianarany. Nampitandrina ny minisitra fa hanara-maso ireo tambazotran-tserasera manomboka izao mba tsy hiverenan’ireo fanelezana tsaho sy vaovao tsy marina na zavatra hafa manohintohina ny filaminam-bahoaka ao anatin’izy ireny intsony.Tsy maintsy hisy arak’izany ny fepetra ho raisin’ny mpitandro filaminana izay efa manana fitaovana maoderna sy harifomba rahateo hitsirihana ireo mpanely tsaho; efa nanindry mafy ny momba an’io ny filoha Rajaonarimampianina raha nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha ny 16 septambra lasa teo.Tsy azo ekena, hoy izy ny fanelezana tsaho sy vaovao tsy marina tahakan’ilay hoe tonelina Ambanidia nihotsaka, ary tsy maintsy handraisana fepetra henjana. Manoloana ny tsy fandriampahalemana mitranga ankehitriny sy ny fiparitahana basy voalaza ho eo anivon’ny polisim-pirenena moa dia nanambara ny minisitra fa efa talohan’ny baikon’ny filoham-pirenena  dia efa nanomboka ny fanisana ireo basy hananan’ny polisim-pirenena ary efa vita amin’ny 90%ny ny asa ankehitriny. Mikasika ny fangatahan’ny olom-pirenena hitana fitaovam-piadiana kosa dia zo izany, hoy izy, saingy misy tompon’andraikitra manokana misahana izany ary misy sokajiny koa ireo basy azo omena ny olom-pirenena.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT