Raitritra indray ny fanoherana fandaminana
Miroso amin'ny fandaminana ny tsena mba hisiana firindrana Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka anisany ny eny amin'ny Petite Vitesse hanaovana famindrana ireo mpivarotra. Hisy ny famindrana azy ireo eo amin’ny toerany taloha Dia eo anoloan’ny paositra. Tsy manaiky ny hanalana azy ireo anefa ireo mpivarotra amoron-dalana eo amin’ny petite vitesse, izay milaza fa kely ny toerana omena azy ireo ka tsy ampy hivarotany raha 1 metatra isaky ny mpivarotra. Raikitra indray ny fanoherana, ka nirohotra nilanja sora-baventy nankeny amin’ny lapan’ny tanàna izy ireo. Miampanga ny PDS Feno Ralambomanana ho mpanao didin’ny be sandry. Mandeha hatramin’ny kihonohono sy fanosoram-potaka fa efa nandray volabe tamin’ny mpivarotra hafa ny PDS ka homena olon-kafa ny toeran’izy ireo. Tena hoe hamindra mpivarotra dia avy eo hametraka hafa e ove ny PDS ? Na tiana na tsy tiana, ilaina ny fandaminana, ilaina ny fitsipika, mihatery ny renivohitra, tsy afaka higalabona hanao izay danin’ny kibony amin’ny gaboraraka lava eto,… Tsy hisy fampandrosoana vanona amin’izany. Tsy mora ny fitantanana an’Antananarivo, betsaka ny zavatra mety mila ifampitsinjovana, saingy tsy midika fa tsy azo ialana ny gaboraraka. Eto amintsika misy ny mpivarotra ampidirina anaty tsena dia misy mpivarotra amoron-dàlana hafa miforona, ny anaty anaty tsena miady sisika hivoaka eny an’arabe,… Manomboka amin’ny lambanana, seza kely, latabatra kely,… Rehefa tsy misy manala dia miakatra ho elo na tafo kely, mikatra ho rindrina,… dia rehefa ravaina dia tsy rariny, ny olona ve tsy hivelona,… Ilàna ben’ny tanàna na PDS mahavita mandamina manala mpivarotra amoron-dalana, anaty arabe, amin’ny trottoir,… saingy izay mijoro mandray andraikitra dia hanaovana fanenjehana. Asa rahoviana isika vao hanaiky lalàna sy fitsipika, fa hifanery hiaina anaty korontana, loto, havoretrana, gaboraraka,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.