Actualités

Famindran-toeran’ny minisiteran’ny Fitsarana Anjaran’ireo lehiben’ny mpiraki-draharaha indray izao


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Nanamafy ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana izay tarihin’ny Minisitra Jhonny Richard Andriamahefarivo omaly, fa miroso ho any amin’ny fanatsarana

 

 

hatrany ho famerenana ny hasina sy ny fitokisan’ny vahoaka. Anjaran’ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha (Chef de Greffe/Greffier en chef) indray izao no mifindra toeram-piasana (affectation). Efa mivoaka izao ny lisitra ho azy ireo. Izao dia tohin’ny ezaka efa natomboka tamin’ny famindrana toeram-piasana ho an’ireo Mpitsara, taorian’ny fivorian’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Mpitsara na ny CSM. Tsiahivina fa nisy ny fandefasana antso teny anivon’ny sampam-pitsarana sy Tribonaly isan’ambaratongany. Rehefa tapitra ny fandinihana ireo antontan-taratasy voaray tamin’ireo kandidà, dia nofaranana ny lisitra. Misy ireo hifandimby toerana (rotation), maro ireo olona vaovao, ary eo ihany koa izay ho voatazona amin’ny toerany ihany. Tsara ny manamarika fa anjaran’ny eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja indray no dingana manaraka amin’izao fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara izao, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT