vao hiala eto ny Frantsay !"
Faminaniana hoy Pastera Mailhol fa tsy famakafakana ilay taona 2030 fotoana hialan'ny Frantsay eto Madagasikara. Raha famakafakana izany hoy izy dia ho hita eo raha vitan'ny Frantsay ny hihoatra Ilay 70 taona izany hoe : nanomboka ny taona 1960 fotoana hahazoana ny fahaleovantenany, fe-potoana nomen'Andriamanutra hijanonan'izy ireo eto Madagasikara. Raha faminaniana kosa dia hiaraha-mahita eto ihany koa. Tsy vao izao aho no naminany hoy hatrany ity Pastera ity fa mbola tsy teraka ny ankamaroan'ireo tanora ankehitriny dia efa nanao izany aho ary tanteraka avokoa izay rehetra nampilazain'i Jéhovah Andriamanitra ahy. Notsiahiviny fa vao faminaniana azony tamin'ny Zoma 17 Aprily io resaka Frantsay hiala eto Madagasikara io taorian'ilay azony tamin'ny 06 Janoary momba ny fisian'ireo miaramila vahiny marobe tonga eto amintsika ary hampiasa miaramila gasy hanongam-panjakana. Tsy midoika anefa izany hoy izy fa tsy afaka hiara-kiasa intsony ny Frantsay sy ny Malagasy fa mbola afaka miara-miasa tsara saingy Ilay rafitra sy fifanarahana ara-politika no mety hiova. Ho an'ny Masoivoho Frantsay izay tsy mino ity faminaniana ity dia mbola nanamafy Pastera Mailhol fa asaivo hataon'izy ireo izay hihoharany ny taona 2030 hipetrahany eto Madagasikara raha vitany. Fomba fijerin'olombelona izany hoy izy fa tsy fijerin'Andriamanitra.
Pati
Légende : Pastera Mailhol, Filohan'ny Fiangonana Apokalipsy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.