Actualités

Fametrahana fanjakana matanjaka Mila ny Malagasy 22 tapitrisa


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Ny fananana ireo vahoaka 22 tapitrisa no hahafahana mametraka fanjakana matanjaka ka hisian’ny fitoniana ara-tsosialy eto amintsika raha ny nambaran’ny filohan’ny HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly tetsy amin’ny sekoly ambony UPRIM

Analakely raha nitarika ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra nokarakarain’ny mpianatra taona faha-3 mirahalahy ao amin’ny sampana fitantanana sy fandraharahana izy, dia Randriantsoa Hermann Claudin sy Rakotondrasoa Hery Lalaina. Tsy amin’ny alalan’ny fananana Emmo-reg, hoy ihany izy, na volabe izay mandiso hevitra ny sasany no hahazoana ny fitoniana. Tsy vita fotsiny hatreto amin’ny famelaberan-kevitra ny fikatsahana izany, hoy izy tamin’ny farany, fa tena miditra an-tsehatra eny anivon’ny fiarahamonina mihitsy. Ankoatra izay, hoy ihany ny filohan’ny HAFARI dia tokony hapetraka amin’ny toerany ihany koa ny fiarahamonim-pirenena ary henoina izay hevitra hatolony mba hahatongavana amin’io fitoniana ara-tsosialy io. Ankoatra ireo mpianatra marobe sy mpikambana Hafari Malagasy tazana teny an-toerana dia tonga nanotrona ity famelabelaran-kevitra ity koa ny “prefet de police” eto Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan’ny sekoly UPRIM.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT