Fametrahana angovo marin-toerana

Miara-miasa ny JIRAMA sy ny FILATEX ENERGIES


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Rivo-baovao mitsoka fanatenana ho an' ny sehatry ny angovo eto Madagasikara,

amin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana manan-tantara eo amin’ny JIRAMA, orinasam-panjakana misahana ny herinaratra sy ny FILATEX ENERGIES, mpisehatra vaventy izay soloin'ny orinasa NOVA, AFRIPOWER ary VESTOP tena. Ity fiaraha-miasa stratejika ity dia manamarika dingana lehibe amin’ny fanatsarana sy fampitoviana ny famatsiana herinaratra amin’ireo tanàn-dehibe manerana ny Nosy, toa an’Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Toliary ary Antananarivo renivohitra, hoy ny fampitam-baovao Miompana amin'ny fandraisana vahaolana angovo maharitra sy mahasoa ara-toekarena ity fiaraha-miasa ity. Ny ivony dia ny fanaovana laharam-pahamehana ny angovo azo havaozina, indrindra ny herin'ny masoandro, miaraka amin'ny fametrahana rafitra fitahirizana vokatra matianina. Io fomba fiasa vaovao io dia tsy vitan’ny hoe hampitombo ny fahatokisan’ny famatsiana herinaratra, fa hampihena be ihany koa ny fiankinan’ny JIRAMA amin’ny solika. Ny fifanarahana dia misy fiantohan'ny roa tonta: hametraka angovo azo havaozina 25 MW fanampiny ny vondrona FILATEX amin’ity taona 2025 ity ary 43,5 MW amin’ny taona 2026. Hampifandray ireo amin’ny tambajotrany ny JIRAMA. Ao anatin’io fifanarahana io ihany koa ny adidy ara-bola an’ny JIRAMA, izay tsy maintsy mandoa vola tsy tapaka sy manefa ny trosany miaraka amin’ny fanohanan’ny fanjakana. Tsara ny fiarahamiasa amin'ny famokarana herinaratra raha tsara tantana ny orinasa jirama, fa tsy sanatria rehefa mandeha eny ny volana sy ny taona dia hoe tsy voaloa ny volan'olona dia ho tapaka indray ilay famokarana herinaratra. Marina fa tena eo ny tsy fahampian'ny vokatra sy ny fahanteran'ny fitaovana fa tena mbola zava-doza lavitra mihoatra an'izay ny tsy fahaiza-mitantana sy risoriso nanaratsy endrika sy nanapotika ny jirama. Raha voatsabo io dia tsy sarotra ny famahana ny olan'ny delestazy. Légende: Manomboka maka toerana amin'ny famokarana angovo ihany koa ny Filatex.
Nangonin'i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT