Efa miditra amin’ny fanentanana ny isam-paritra indray ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’izao mikasika ny famerenana ireo zaza nitsoaka an-daharana hiverina an-tsekoly
. Tany amin’ny Faritr’i Horombe no nanaovana izany taorian’i Morondava (Menabe) izay nanombohana izany. Raha ny fanazavana nomen-dRalison Anatole Herimana, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany dia fanentanana aloha no atao amin’ny mponina na ny vahoaka amin’izao ka anisan’ireny ny fampahafantarana azy ny maha zava-dehibe ny hamerenana ny zaza an-tsekoly. Hitohy amin’ny fidinan’ireo tompon’andraikitra teknisianina isam-paritra ifotony izany aorian’izay mikasika ny fandraisana an-tanana sy ny fijerena akaiky ireo ankizy voakasika. Ao anatin’ny politikan’ny Filoham-pirenena ny hamerina zaza nitsoaka an-daharana an-tsekoly miisa 500.000, satria ny fianarana ihany, hoy ity tompon’andraikitra ity no afaka mampandroso ny firenentsika. Tsara ny manamarika fa any amin’ny faritra no betsaka zaza nitsoaka an-daharana an-tsekoly indrindra eto amintsika noho ny fomban-tany sy ny fahasahiranana mianjady amin’ny ray aman-dreny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.