Actualités

Famerenana ny vakok’i Afrika Efa fampanantenan’i Macron tamin’ny 2017


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Tsy kisendrasendra ny resaka famerenan’ny Frantsay ny vakoka taty Afrika. Ny fiandohan’ny volana desambra 2017 no efa nanao fanambarana tany Burkina Faso nandritra ny fitsidihany tany Afrika i Emmanuel Macron, fa hamerina ireo vakoka sy harem-bakoka nalain’ny Frantsay taty Afrika.

 

 

 “Ny vakoka Afrikanina dia tsy maintsy omen-danja any Paris, fa nisy ihany koa any Dakar, Lagos, Cotonou, ka manomboka izao hatramin’ny dimy taona dia iriko ho feno ny fepetra hamerenana ny vakoka Afrikanina ho an’I Afrika”, hoy i Emmanuel Macron tamin’izany, nandritra ny kabariny tao amin’ny Oniversiten’I Ouagadougou. Toa hafa mihitsy ny fomba firesaky ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina omaly, fa nitaky ny satro-boninahitra mariky ny fiandrianam-panjakan’ny Mpanjaka Ranavalona III. Notsindriana fa tsy nisy nanao tao anatin’ny 123 taona io. Rehefa tena zohiana, dia zavatra efa tokony mandeha ho azy ny famerenana, fa tsy hoe asa be tsy vitan’ny teo aloha zato taona, saingy toa nentina nanaovana fandokafan-tena na “populisme”. Ny fanaovana taratasy ofisialy dia efa mandeha ho azy (formalité) fanao amina diplaomasia, tsy dia tena asa be na fandresena goavambe. Io rahateo tsy misy zavatra hoe tena miala be amin’ny mahazatra (extraordinaire) fa efa lojika. Rehefa nanaiky ny frantsay fa azo sokafana amin’zay ny arsivan'ny tantaran'ny fanjanahana, dia mandeha ho azy. Tsy misy misitery fa ny zanan-tany rehetra afaka mijery ny fananany sy raki-tsoratry ny tantarany any Frantsa, ankoatry ny îles eparses angamba ho antsika. 50 taona aorian’ny fahaleovantena eo no tokony hisokatra tsimoramora ny arisiva.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT