Famerenana ireo Nosy Malagasy

Lany Raiamandreny ve i Madagasikara ?


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Roa andro aty aorian’ny dinika iombonana momba ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa

ny Alatsinainy 30 jona, dia ny tati-baovaon'ny fanjakana malagasy ihany no hita sy re fa izay niarahana nidinika tamin'ny delegasiona frantsay tao tsy misy mipika. Moa va tsy mbola taratry ny fivangongom-pahefana misy eto Madagasikara ihany ny raharaha. Nataon'ny mpitondra ho raharaham-panjakana fa tsy raharaham-pirenena ny fitakiana ny fampiharana ny fehin-kevitra tinapaka nandritra ny fivoriambe teo anivon’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979 ny maha an'i Madagasikara ireo Nosy manodidina ireo. Ireo fitakiana nanaovana serasera fa nataon'ny delegasiona Malagasy tamin'io fihaonana io dia mibaribary fa tsy resaka nifampierana na nialohavana fakan-kevitra tamin'ny Malagasy fa nokononkononin'ny governemanta ho azy samirery tao. Afaka hiteny ve ireo valo mianadahy lasa tany Parisy fa mahasolotena sy tena nitondra ny feon'ny Malagasy ny amin'ireo Nosy Manodidina ireo ? Pika sary "selfie" no nandeha aloha, nisantaran'izy ireo ny dia tany Frantsa. Tranga izay efa nanankihanan'ny mambra iray isany nandrafitra ny delegasiona tany Frantsa iny ireo namonjy ilay Business-Forum natao tany Dubaï iray volana lasa iny, nilazany fa vokatra no andrasana amin'ny iraka fa tsy "selfie". Moa va tsy izy indray no nanampy trotraka, ka inona marina no vokatra tamin'iny fihaonana tany Parisy iny ? Ny mpitarika ny delegasiona rahateo moa efa nibaribary ny tsy fahombiazany ara-diplaomatika, tsy nahavita nandresy lahatra akory ireo mpitondra afrikanina ; eny fa na ireo eo anivon'ny SADC maha mpikambana antsika aza, tamin'ny fifidianana ny Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina ny fiandohan'ny tao teo ka tsy nahavoafidy ny kandidan'i Madagasikara. Ka lany Raiamandreny ve i Madagasikara no ankinina amin'ny toy izany ny fitakiana ny famerenana an'ireo Nosy Manodidina ireo amin'i Madagasikara izay mahakasika ny fiandrianam-pirenena ? Manana Olona sangany, mpitsara iraisam-pirenena i Madagasikara izay efa nanaporofo ary ikoizan'izao tontolo izao ny fahaizany isika toa an'i Pr Raymond Ranjeva. Manana olobe sady mpandalina tantara toa an'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré. Maro ny Raiamandreny tia tanindrazana eto. Efa isika Malagasy rahateo koa izao no mitarika ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indianina, ka inona moa no tsy nampidirana an'i Edgard Razadindravahy tao anaty delegasiona, sa ve vitan'ny kisehoseho ivelany fotsiny izy ity ?
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT