Famenoana vola amin’ny finday

Nampahafantarina ny MVola Fameno


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Ho famenoana vola amin’ny finday, raha sendra misy ny tsy fahampiana amina

fandoavam-bola, dia nampahafantarina ankehitriny, raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ny fisian’ny tolotra antsoina hoe MVola Fameno. Izy io, raha ny fanazavana, dia natao hanampy ireo mpanjifan’ity tambazotram-pifanankalozam-bola amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra Telma ity raha sendra tsy ampy handefasam-bola ny totalin’ny volan’ny mpanjifa te hanao izany ao anaty findainy ao. Azo averina ao anatin’ny 7 andro kosa ny vola nindramina nanaovana izany. Afaka mameno ny vola ao anaty finday ho hatramin’ny 1.000.000 Ariary izy io ka ny fanindriana maimaimpoana ny #111*1*3*2*2# no ahafahana miditra amin’izany, raha ny fanampim-panazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT