Faritra iray tena mamokatra eto Madagasikara ny Faritra Analanjirofo. Isan’ny tena mety amin’iny toe-tany iny ny fambolena voatabia, na inona na inona karazany, saingy tsy mampalaza azy anefa izany.
Tany amin’ny taona ’80 tany ho any dia nahitana betsaka ny voatabia, amin’ilay karazany antsoina hoe : « cœur de bœuf », tany an-toerana, nefa zara raha hita sisa izany ankehitriny. Avy any Italia no tena fiavian’izy io ary vaventy tokoa, satria mety hahatratra hatrany amin’ny 600 grama ny lanjan’ny iray. Mikasa ny hanaparitaka azy ity indray, any Analanjirofo, ny sampan’ny vovonam-pirenena HINA any amin’iny Faritra iny. Efa misy ny toerana ambolena izany, ka masomboly avy any ivelany no nampidirina teto. 5 taona izao nambolen’izy ireo ny voatabia « cœur de bœuf » ary hita fa miroborobo tokoa izany. Tanjon’ny vovonana HINA Faritra Analanjirofo ny hanaparitahana an’ity karazana voatabia ity amin’ireo tantsaha mpamokatra. Tafiditra ao anatin’ny fanentanana ny amin’ny tokony hihinanana sakafo maro loko izany.
Légende
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.