FAMBOLENA SY FIOMPIANA

Mila vola sy herinaratra hahafahana mampiodina azy


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Mila herinaratra sy hazavana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana

eny anivon'ny tontolo ambanivohitra . Lohalaharana amin'izany ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana. Tsy afaka manome rano ho an'ny biby fiompy sy ny sakafo tokony hohaniny koa ohatra ireo mpiompy amin'ny alina raha vao tratran'ny delestazy na koa any amin'ny toerana tsy misy herinaratra. Izany indrindra no antom-pisian'ny trano evan'ny orinasam-pifandraisana Yas eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato mandritra ny foara iraisam-pirenena momba ny fambolena karakarain'ny Madavision. Amin'ny alalan'ilay tetikasa Mbaliaka izay hampahafantatra ireo karazana fitaovana hahazoana hazavana sy herinaratra no hahatongavany eny an-toerana raha araka ny fanazavan'Atoa Harinjato tamin'ny mpanao gazety omaly. Toraka izany koa ilay Yas business izay hanohana sy hikolokolo manokana ireo mpandraharaha. Tsy afaka manao ny asa fihariany ihany koa mantsy izy ireny raha tsy misy tohana ara-bola. Tanjon'izy ireo ny hanala fahasahiranana ireo tantsaha mpamokatra sy ireo mpandraharaha amin'ny sokajiny avy misy eto amintsika.
Pati
Légende : Atoa Harinjato, tompon'andraikitra eo anivon'ny Yas !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT