Actualités

Fambolena artemisia Hampivoatra ny fihariana ifotony


  • Zoma 08 Mey 2020

Nitsidika ny orinasa Bionnex sy Quimpexx tany Fianarantsoa ny misitry ny tontolo iainana Baomiavotse Vahinala Raharinirina mba hijery ny fomba famokarana ny Artemisia sy ny Quinquina.

 

Ireo zava-maniry roa ireo dia samy ampiasaina amin'ny fitsaboana ary manana anjara toerana lehibe amin'ny toekarem-pirenena sy eny ifotony. Ny fambolena Artemisia fotsiny ohatra dia afaka mamorona lalam-pihariana sy lalam-pamokarana ahafahan'ireo tantsaha ao amin'ny disitrikan'i Lalangina mivelona. Maharitra 5 volana ny fambolena azy ary azo ampifandimbiasina tsara amin'ny fambolem-bary satria atao voly avotra ny Artemisia. Mitombo ny fidiram-bola ho an'ny tantsaha satria tsy hoe miato ny fiainana sy ny famokarana fanao andavanandro fa mitohy hatrany ary manampy azy ny famokarana Artemisia. Mahatratra 7 000 ireo tantsaha mamboly Artemisia ao Lalangina ankehitriny. Anterin`ny ministra hatrany fa manana anjara toerana lehibe ireo orinasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa amin'ny fampivoarana ny fihariana ifotony toy izao mba samy hahazo tombony na ireo tantsaha, na ny orinasa ary indrindra moa ny toekarem-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT