Fambolen-kazon’ny TIM eny

Imerikasinina Havela malalaka sa ho avy indray ny sotasota ?


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Nanamafy ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Rina Randriamasinoro omaly,

fa hanao fambolen-kazo eny Imerikasinina io Antoko io ny sabotsy 01 martsa ho avy izao, ka amin’ny 8ora sy sasany ny fahatongavana, raha ny toromarika. Sady manosoka ireo zanakazo maty no mamboly vaovao, hoy i Rina Randriamasinoro. « Tokony tsy hisy ny fanatsakanana avy amin’ny mpitondra satria tontolo iainana io ka samy tompon'andraikitra aminy fikojakojana izany ny rehetra », hoy io depiote sady Sekretera Jeneralin’ny TIM io. Tsiahivina fa isan’ny nanamarika an’Imerikasinina ny fitsangatsanganana nataon’ny TIM sy ny Miara-Manonja tany amin’ny taona 2021 izay nanaovan’ny Fitondrana fanakanana eraky ny làlana ka nanetsehana Emmo-reg zavon-tany, ka betsaka no nisafidy sy voatery nandeha an-tongotra ny 06 febroary 2021. Havela malalaka ny TIM amin’ity fambolen-kazo hataony ity sa ho avy indray ny filàna kisa avy amin’ny Fanjakana tahaka ny natao tamin’ireo mpitarika politika teto Antananarivo vao tsy ela izay fivoriana tany anaty efitrano aza nosakanana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT