Fambolen-kazo notarihin’ny PAN

Namoronana fivoriana ireo Talem-paritra mba tsy hanatrika…


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Na tsy nisy afa-tsy ny Talem-paritry ny MEDD irery ihany, izay nanome tan-tsoratra teknika;

amin'ireo Talem-paritr'Amoron'i Mania nanotrona ny fambolen-kazo tao amn'ny distrikan'Ambatofinandrahana ny zoma lasa ; dia afa-po sy tsy latsaka henatra Rtoa Christine Razanamahasoa, Filohan'ny Antenimierampirenena nitarika izany. Satria totonsa tsara ny fambolen-kazo, zana-kazo miisa 12000 tao Bodana (fokontanin’i Tetikanana); nandraisan'ny vahoaka any amin'ny 4.800 any ary nahitana tanora, hoy ny vaovao voaray ny faran’ny herinandro teo. "Haraha-maso izy ireny sy ho karakaraina" hoy Rtoa Christine Razanamahasoa izay nisaotra ireo mponin'ny fokontany, ben'ny tanana sy servisy isan-tsokajiny. Nisaorany manokana ny fikambanana Mandresy sy Fitiavana. Tamin'io zoma io moa, dia novorian'ny Loholona tao Ambositra renivohitr'Amoron'i Mania ny Talem-paritra rehetra. Kisendrasendra ve sa daty niniaina natao ? Fa ny sabotsy lasa kosa, dia nisy lanonana fiarahana mifaly sy mikorana, fiarahabana nahatratrarana ny taona vaovao notarihin-dRtoa Christine Razanamahasoa mivady ho an’ny vahoakan’ny distrika sy ny tompon’andraikitra isan-tsehatra ao. Sehatra « firarariana ny soa sy ny tsara ho an’ny rehetra sy ho an’Ambatofinandrahana » hoy hatrany Rtoa Razanamahasoa, izay solombavambahoaka voafidy tao amin’io distrika io rahateo. Tonga maro ny vahoaka, nanotron’azy mivady : ny ben’ny tanana 9 notarihin’ny Filohan’izy ireo, Rtoa Hajarilala Vololomboahangy, ben’ny tanan’Ambondromisotra, ireo lehiben’ny fokontany 21 sy mpitarika fikambanana isan-tsokajiny, hoy hatrany ny tatitra. Izao dia manamarika fa mbola misy olona manohana Rtoa Christine Razanamahasoa, hoy ny fanamarihana. Miharihary ihany koa anefa ny mbola fisiana olon’ny fitondrana tsy maty voalavo an-kibo amin’ity filohan’andrim-panjakana ity taorian’ny fijoroany ho mpanelanelana nanoloana ny toe-draharaham-pirenena nisafotofoto nialohan’ny fifidianana, ka nilazan’ny rafitra nisy azy niarahany tamin’ny FFKM fa mila alamina aloha ny firenena. Nosoketaina ho mpitarika fanonganam-panjakana sy noroahana tsy ho TGV ny tenany, naongana tsy ho Filohan’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, ary toa mbola misy ny endrika fahirano politika atao azy ? Hisafidy ny haka aina ara-politika ve ny tenany sa mbola hirotsaka ho depiote ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT