Eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, dia efa nataon` ny fanjakana laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana ary ireo harena voajanahary toy ny biby sy zava-maniry miavaka izay tsy misy afa tsy eto amintsika.
Ny taona 2019, natao tanjona ny fambolen-kazo ho an’ny velaran-tany 40 000 hekitara isan-taona eran’i Madagasikara. Velaran-tany 41.065 Ha no voavoly ny taona 2019 ka 38.609 Ha no ala tsotra ary 2.457 Ha ny ala honko (mangroves). Ho fiarovana ny ala dia natao laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny toekarena maitso (économie verte) sy ny toekarena mifampitsinjo (économie circulaire). Noho izany, natomboka tamin’iny taona 2019 iny ny tetikasa miisa telo fanodinana ny fako hasolo arina ao Toamasina, Antsiranana ary Antananarivo Avaradrano. Mbola mitohy amin’ity taona 2020 ity ny famitàna ireo fanorenana ireo sy ny fampitaovana azy ireo. Mametraka tanjona ny hanomana zanakazo 60 tapitrisa isan-taona mba ahafahana manatratra ny tanjona fandrakafona ala efatr’alina hektara isan-taona an’i Madagasikara. Handrakotra ala 20 hektara amin’ny paulownia, acacia, sy ny hazo mitombo malaky ny MEDD amin’ity mba hatao fitaratra (vitrine), noho ireo hazo ireo mandray anjara amin’ny fanadiovana haingana ny rivotra. Hividianana ireo drônes folo ampiasana hamafazana ireo voa hanatrarana ireo toerana saro-dalana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.