Famatsiana solika

Nisy olana, tara ny sambo,


  • Alarobia 18 Martsa 2026

nikorontana ny famatsiana

Tobin-tsolika maro teto Antananarivo no tsy nahitana lasantsy omaly, izay nahatonga filaharambe tenyamin’ireo tobin-tsolika vitsivitsy mbola nahitana tahiry. Tsy maintsy nametra ny solika afaka novidiana ireo tombin-tsolika sasantsasany araky ny fanadihadiana natao. Ny alahady teo aza no efa nisy tobin-tsolika nilaza fa tsy misy lasantsy teny amin’iny làlan’i By Pass iny. Noho ny fahatarana tamin’ny famenoana sambo mpitatitra solika ho an’i Madagasikara niainga tany Oman no nahatonga ny olana, hoy kosa ny fanavazan’ny tale jeneralin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures), Atoa RAVELOSON Cydolin . Anio hariva, hoy ny fanazavana mantsy ny omaly, no higadona ao Toamasina ny sambo mpitatitra solika ka vinavinaina afaka roa andro dia hiverina amin'ny laoniny ny famatsiana eto Antananarivo sy Toamasina. Ino no nambara fa anton’ny fikorontnanan’ny famatsiana solika teto Antananarivo sy ao Toamasina noho ny fahataran’ny fahatongavan'ny sambo mpitatitra solika. Ny 9 martsa vao niainga tany Oman ny sambo raha tokony efa niala tany an-toerana ny 4 martsa, raha ny fanazavana. Miantso ny mpanjifa tsy hanova ny fanjifana mahazatra izay efa fanaony ny OMH. Marihana fa ny lasantsy (Super carburant) no tena voakasiky ny fikorontanana, ka tsy maintsy napetraka ny rafitra fizarana voafetra (rationnement) miaraka amin’ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny solika eny amin’ny toby famatsiana. Tsy misy olana kosa ny famatsiana ho an'ny gasoil sy ny solika fandrehitra. Tsara ny mampahatsiahy, fa andro vitsy taorian’ny nanombohan’ny ady tany Iran no nanaava ny OMF fa na eo aza ny fitomboan’ny fifandirana any Moyen-Orient taorian’ny fifanafihana ara-miaramila ny 28 febroary sy ny valifaty voarakitra tany amin’ny firenena maro ao amin’ny faritra, dia mbola mandeha ara-dalàna sy tsy misy olana ny famatsiana solika eto Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny OMH tamin’izany, manana tahiry ampy i Madagasikara amin’izao fotoana izao amin’ireo vokatra solika lehibe toy ny lasantsy, gazoala, solika fandrehitra. Ahafahana manarona ny filàn’ny firenena mandritra ny herinandro maromaro manaraka ny tahiry, hoy hatrany io rafitra. Nambara fa ùitohy tsy misy sakana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny famatsiana. Ny iray amin’ireo toerana lehibe iantsoana solika ho an’i Madagasikara dia ny seranan-tsambo Sohar, any avaratr’i Oman, eo amin’ny fivoahan’ny détroit d’Ormuz. Avy eo, ny sambo mitondra solika dia mandalo amin’ny Golfe d’Oman, Mer d’Arabie, Océan Indien, Toamasina. Tombanana ho eo anelanelan’ny 3 200 ka hatramin’ny 3 500 milles nautiques ny halaviran’ny dia, izay mety haharitra 8 ka hatramin’ny 12 andro arakaraka ny hafainganam-pandehan’ny sambo, hoy ny fanazavana. Io somary nisy olana io ny famatsiana 18 andro taty aorian’ny ady.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT