Actualités

Famatsiana rongony Vehivavy iray indray no tratra teny Anosivavaka


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Vehivavy iray, 29 taona no tratra nivarotra rongony teo akaikin’ny bassin

 

 

Anosivavaka Ambohimanarina ny 21 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 06 ora sy 15 minitra. Raha araka ny fantatra dia efa mampikaikaika sy mampitaraina ny manodidina mihitsy ity vehivavy ity noho izany asa ratsiny izany. Mbola nahatrarana rongony 6kg sy 100g teny aminy nandritra ny fisavana azy izay fantatra fa ambina rongony sisa tsy lafony. Fantatra tamin’izany fa avy any amin’iny faritra atsimo ireo rongony ireo ka isaky ny roa herinandro izy no mahatonga 02 gony izay hamatsiany ireo miala izany eto an-drenivohitra ihany koa. Misy lehilahy manatitra izany ao aminy ka vidiny 200.000Ariary ny iray gony. Hamidiny 20.000Ariary kosa ny sachet kely raha toa ka 1000 Ariary ny 01 fonosana. Efa nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny resaka varotra rongony hatrany moa ity vehivavy ity ka izao voasambotra izao indray. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny sabotsy teo ity vehivavy ity ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT