Actualités

Famatsiana rongony mahery vaika Nizerianina 5 lahy no tra-tehaky ny polisy


  • Talata 30 Mey 2023

Nahazo angom-baovao ny polisim-pirenena, raha ny fampitana izany voaray ny faran’ny herinandro teo, fa misy

teratany vahiny mitazona zava-maha domelina na rongony mahery vaika simika eny Itaosy. Nidina ifotony avy hatrany, noho izany, ny Polisy. Tra-tehaka teo am-pampifangaroana ireo zava-mahadomelina mahery vaika milanja 1kg600 ny teratany nizerianina miisa 5. Nikasa hivarotra sy hanaparitaka ilay zava-maha domelina izy ireo no izao tra-tehaka izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray ary mitohy, araka izany, ny fanadihadiana. Araka ny fanampim-baovao voaray moa dia ahiana ho anatin’izao zava-mahadomelina tra-tehaka izao ireo mahery vaika malaza ho miparitaka ankehitriny toy ny Rôrô. Ireto nizerianina 5 lahy ireto, araka izany, no mety ho isan’ny tompon’antoka voalohany amin’ny famatsiana izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT