Voavaha ny olana momba ny famatsiana rano fisotro madio eny Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Fiaraha-miasan’ny Kaominina tamin’ny
mpiaramiombon’antoka sy ny Jirama ary ireo vahoaka no nahavitana paompin-drano 24, niampy fanasan-damba 4. Fokontany enina no mahazo tombontsoa amin’izao tetikasa izao raha ny fanazavan-dRamiharinjatovo Germain, lefitry ny Ben’ny tanànan’Ambavahaditokana. Ny 40%-n’ny vola nanaovana ny asa dia ny kaominina no niantoka azy. Nisy ny famoronana asa ho an’ny mponina tao anatin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao tamin’ny alalan’ny fitsanganan’ireo komity manara-maso ny rano izay lasa mahaleotena tanteraka ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.