Nanomboka nandeha tsy tapaka ny herinaratra tao Ambositra omaly talata 16 septambra 2014 vokatry ny fahatongavan’ny solika avy aty Antananarivo. Voafetra ihany anefa io solika tonga io satria 42 000 litatra monja ka ato anatin’ny herinandro dia mety hiverina indray ny delestazy raha tsy misy solika vaovao tonga amin’ny alatsinainy 22 septambra ho avy izao.
Tsiahivina fa vokatry ny fitsitsian’ny mpitantana ny jirama ao Ambositra ny solika no nahatonga ny delestazy isaky ny amin’ny 4 ora hatramin’ny 9 ora maraina teo aloha. Mbola miandry vahaolana maharitra mikasika ny famatsiana herinaratra tsy tapaka ny vahoakan’Ambositra satria manelingelina ny asa andavanandro sy ny fivelomana ny delestazy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.