Actualités

Famatsiana herinaratra Mikaon-doha any Kigali i Madagasikara sy Rwanda


  • Talata 07 Febroary 2023

Notontosaina nanomboka omaly alatsinainy 6 febroary 2023 tao Kigali renivohitry Rwanda ny fihaonana sy dinika fiaraha-miasan’ny samy tatsimo (Madagasikara-Rwanda ) eo amin'ny sehatry ny angovo.

Nahitàna ny solotenan'ny JIRAMA izay tarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, solotenan'ny Banky iraisam-pirenena ary ny eo anivon'ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Ny tanjon'izao fihaonana izao dia ny hampiakarana ny tahan'ny fisitrahana herinaratra (Augmentation des taux d'accès à l'électricité) eto Madagasikara.Izy ity izay marihina fa anisan’ny tena mbola ambany aty Afrika satria manodidina ny 15% ny taha, raha ho an’i Madagasikara ary mbola ireo azo antsoina hoe tanan-dehibe ihany aza no ivangongoan’ireo.Efa misy ihany ny ezaka atao amin’ny famatsiana herinaratra ny tontolo ambanivohitra saingy mbola tena lavitra ny lalana ary mila vola sy fitaovana ary indrindra fa mpiara-miiombon’antoka matanjaka izany. Manodidina ny 5% ny tahan’ny fahazoana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ho an’i Madagasikara. Anisan’ireo firenena nahita ary nampihatra paikady matotra amin’ity resaka famatsiana herinaratra ity i Rwanda ka anton’ny fihaonana sy ny fifanakalozana fahaizamanao izany.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT