Famatsiana herinaratra eny Ambanivohitra

Hamatsy 2 226 600 tapitrisa dolara any Alaotra Fonds DECIM


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Nanasonia fifanarahana ara-panjakana amin’ny tetikasa famatsiana herinaratra

ambanivohitra voalohany ny Fonds DECIM (Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar), ny 25 jona 2025 lasa teo, niaraka amin’ny orinasa Jiro Kanto, izay sampan’ny vondrona iraisam-pirenena IED (Innovation Énergie Développement). Vola mitentina 2 226 600 dolara amerikana (0,17 miliara Ariary eo ho eo) no natokan’ity tahirim-bola ity hanohanana ny fananganana tambajotra kely (mini-réseau hydroélectrique) manodidina an’i Lac Alaotra, manome tombontsoa ho an’ny 13 fokontany ao amin’ny distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka, ka olona miisa 18 500 no heverina fa hahazo herinaratra vokatry ny tetikasa. Ny orinasa Jiro Kanto, izay naorin’ny vondrona IED tamin’ny taona 2024, dia nandimby ny asa sy ny fitaovana navelan’ny BETC Nanala, izay efa niasa teo an-toerana nanomboka tamin’ny 2014 ka hatramin’ny 2019, raha ny fanamarihana. Niharan’ny fahasimbana mafy ireo fotodrafitrasa tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai tamin’ny taona 2022. Nomarihina fa miasa efa ho 36 taona amin’ny sehatry ny angovo madio sy maharitra ny vondrona IED, indrindra amin’ny famatsiana herinaratra ambanivohitra any Afrika sy Azia. Ity tetikasa vaovao tohanan’ny Guichet 1 amin’ny Fonds DECIM izay iantsorohany ity, dia vinavinaina ho vita anatin’ny 24 volana, araka ny fenitra napetraky ny rafitra mpamatsy vola, ary natao indrindra ho fametrahana tambajotra vaovao fa tsy fanavaozana fotsiny, raha ny fampitam-baovao. Nisy ny fitsidihana natao teny ifotony tany amin’ny toerana hananganana ny foibe famokarana herinaratra ao Maheriara, distrikan’Amparafaravola, mba hijerena ny fanombohana ny asa, hifampiresahana amin’ny mpiara-miombon’antoka eny an-toerana ary handinihana mialoha ny fanatanterahana ny tetikasa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT