Famatsiana herinaratra

ao Toamasina Miampy 4MW, tonga ihany


  • Zoma 10 Jolay 2026

koa ny milina lehibe Wärtsilä

Naverina amin’ny asa ny vondrona famokarana 4 MW HFO ao Toamasina noho ny fikojakojana, ary tonga ihany koa ny motera vaovao Wärtsilä 4 MW izay hanampy amin’ny fanamafisana maharitra ny fahafahan’ny toby mamokatra herinaratra. Dingana lehibe entin'ny Filatex Energy manamafy ny famokarana herinaratra ao Toamasina. Amin’izao fanavaozana izao, mahatratra 24 MW HFO ny fahafahan’ny toby mamokatra, ka azon'ny Jirama ampiasaina hanamafisana ny famatsiana herinaratra ho an’ny tanànan’i Toamasina. Ity motera vaovao ity dia hanampy amin’ny fitoniana sy ny fiarovana amin’ny famatsiana herinaratra, indrindra ho an’ireo fotodrafitrasa manan-danja toy ny Hopitaly Morafeno sy Hopitaly Be. Ankoatra ny asa maika, mitohy ny fanoloran-tenan’ny Filatex Energy amin’ny fanarenana maharitra ny sehatra angovo eto Madagasikara. Eo am-pamolavolana ny fanombohana ny dingana faharoa amin’ny tetikasa masoandro ny orinasa, izay tanjona hanohanana ny fiovàna mankany amin’ny angovo maharitra ho an’ny firenena. “Mitohy hatrany ny ezaka ataonay amin’ny fanamafisana ny tambajotra sy ny famokarana herinaratra. Miasa andro aman’alina ny ekipanay hanampy ny Jirama amin’ny fanamafisana ny tambajotra sy ny fanarenana maharitra ny sehatra angovo eto Madagasikara.”, hoy Atoa Tahina Ramaromandray, Tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Groupe Filatex. Amin’ny alalan’ireto tetikasa ireto, manamafy sy mikendry ny hanome herinaratra azo antoka sy maharitra ho an’ny mponina sy ny sehatra ara-toekarena ao Toamasina ny Filatex Energy, manampy amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fandrosoan’ny faritra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT