Actualités

Famatsiana herinaratra ao Toamasina Azo ny “transformateur”, mitohy ny halatra tariby


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

“Transformateur” manana tanjaka 160Kva iray no nirefotra tao Mangarano II ny alarobia lasa teo ka telo andro sy roa alina tsy mahazo herinaratra ny mpanjifan’ny jirama maro be hatrany Tsarakofafa.

 

 Taorian’ny fangatahana fitaovana nataon’ny talen’ny jirama Toamasina Veloson Leonard tany amin’ny foibe, dia ny zoma teo no tonga ny “Transformateur” vaovao manana tanjaka 250Kva. Ny zoma io ihany dia efa napetraka, ny tolakandro ihany dia efa niverina ny herinaratra tao Mangarano II sy Tsarakofafa tapaka. Raha ny halatra taribin’ny Jirama kosa dia ny tambajotra Volobe Toamasina II mandalo ao Tanandava hatreo Toamasina renivohitra no mazàna tena hitrangany. Taorian’ilay 400 m nisy nangalatra efa nosoloin’ny jirama farany teo, dia mbola nitrangana halatra ihany koa ilay tambajotra ny zoma nifoha ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny FIP dia azon’izy ireo ny tariby efa voatapataka mirefy manodidina ny 400m eo ihany koa, mbola tratra koa ireo fitaovana nampiasain’ireo mpangalatra, saingy nandritra ny fifanenjehana tamin’ireo andian-jiolahy tany anaty ala sy tao anatin’ny haizina dia tsy tratra ireto andian-jiolahy ireto na efa nanapoaka basy aza ny FIP. Mbola miantso fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona sy ny fokontany hatrany ny Jirama hisorohana sy hanoro izao halatra herinaratra sy halatra tariby izao ho tombontsoan’ny rehetra.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT