Actualités

Famatsiana herinaratra ao Ivato « Efa amina miliara ny vola naloa kanefa mbola tsy tonga foana ny jiro »


  • Zoma 31 Martsa 2023

Vaky vava ny Ben'ny tanànan'Ivato Penjy Randrianarisoa omaly fa misy olona tsy mahay ny asany eo ambanin'ny fitarihan'ny filoha amin'izao fotoana.

Nasiany resaka manokana mifandraika amin'izany ny famatsian-jiro ao amin'ny Fokontany Voasary sy Antsahameva Samy ao anatin'ny kaominina iadidiany. Efa ela no nalohan'ny kaominina raha araka ny fanazavany ny vola hampidirana jiro amin'ireo Fokontany roa ireo izay efa nahatratra amina miliara. Hatreto anefa dia mbola.maizin- kitroka ny tanàna Antony mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. Nambaran'ingahy Ben'ny tanàna moa fa efa nisy ny fitarainana nataony teny anivon'ny Jirama saingy tsy misy mihaino izy. Anisan'ny mampikatso ny asa fampandrosoana tokony hatao eo anivon'ny kaominina izany hoy izy no sady manalabaraka fanjakana. Miantso ireo tompon'andraikitra mahefa araka izany ny Ben'ny tananan'Ivato mba hijery akaiky ny mikasika izany.
Pâti
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT