Actualités

Famatsiana herinaratra any Betsinjaka Toliara Vita toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Notokanana ny sabotsy 19 Aogositra teo ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro na ny "centrale solaire"

tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsinjaka Andranomena. Manana tanjaka 2,9 MWc ity tobim-pamokarana ity, 6 000 MWh isan-taona ny herinaratra vokariny, ary 88 kosa ireo "onduleurs" ampiasainy. Maherin'ny 60 000 m2 ny refin'ny toerana misy azy, ary ankoatr'izay dia entona ratsy milanja 0,778 taonina isaky ny MWh no voahiliny tsy hiparitaka anaty natiora, raha ny tatitra. 50% ny vokatra dia hanampiana ny JIRAMA, 7 Miliara 700 tapitrisa Ariary isan-taona ny fitsitsiana vita amin’ny tsy fividianana solika mavesatra noho ity tobim-pamokarana ity. Izy no faharoa ngeza indrindra aty Afrika. Tokatrano 6 324 no misitraka herinaratra voalohany amin'izany, raha 19 000 ny mpanjifa any an-toerana, raha ny fanazavana teknika. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny orin'asa ENELEC sy ny LIDERA GREEN POWER no nanatsanganana izao fotodrafitrasa izao, izany hoe an’ny tsy miankina. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiministra, ary ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo moa no nitokana izany, notronon'ireo manam-boninahitra maro, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT