Tsy ao anatin’ny fomba fisainana Malagasy ny findramam-bola eny anivon’ny banky na famatsiam-bola madinika.
Antony iray mahatonga izany ny fepetra takian’ireny toerana mpampindram-bola ireny sy ny fahafahana mamerina izany ara-potoana ka miteraka fifanenjehana mety hiafara amin’ny fanagadrana mihitsy. Sokajiana ho fitaovana iray azo iadiana amin’ny fahantrana anefa ny famatsiam-bola madinika. Manasongadina izany ny paikadim-pirenena vaovao momba ny famatsiam-bola tsy manavaka mandritra ny 5 taona 2013-2017. Homena lanja manokana amin’izy io ny fampirisihana ny tinady sy ny fampiroboroboana ireo karazana tolotra ara-pitantanana. Mifototra amin’izay rahateo ny anton’ny fanentanana mikasika ny fanabeazana ara-pitantanana fototra iandraiketan’ny Fikambanan’ireo Famatsiam-bola madinika matihanina na APIMF. Olona miisa iray alina amin’ny Kaominina 85 ao anatin’ny faritra 15 eto Madagasikara no ezahin’ireo mpampiofana miisa 70 horesen-dahatra eny ifotony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.