Actualités

Famarotana ny villa Elisabeth Tsy ho afa-bela i Reboza Julien


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Amin’ny maha filohan’ny vaomiera mpanadihady mikasika ny olana momba ny fananantany eny anivon’ny antenimieram-pirenena azy dia nanazava ny depiote Naivo Raholdina fa fahefan’ny minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny fotoan’andro, izany hoe,

 

Julien Reboza, no namarotana ny tany misy ny Villa Elisabeth, izay nonenan’ny filoham-pirenena teo aloha, Zafy Albert, eny Ivandry. Tsy nahafantatra ny mikasika izany ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, ary tokony havahana ny atao hoe fitondrana HAT sy ny filohan’ny HAT. Tsy nandalo filankevitry ny governemanta sy ny minisitra rahateo io raharaha io ka tsy mahagaga raha tsy fantany, hoy hatrany ity depiote ity. Ny 4 janoary 2014 no voasonia ny taratasim-pamarotana ary tsy nisy sonian’ny filohan’ny tetezamita fa mpiara-miasa amin’ny filohan’ny CRN amin’izao fotoana, Tabera Randriamanantsoa, aza no nanao sonia tao. Ny androtr’io talata io ihany moa ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Vonintsalama Andriambololona, niaraka tamin’ny minisitra misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany, Benjamina Ramarcel  Ramanantsoa ary niara-nilaza ihany koa fa vao izao vao nahafantatra ny fisian’ilay raharaha. Nanambara ity farany fa efa navoaka ny didim-pitondrana nanafoanana io famarotana io ary mangataka ny eo anivon’ny birao mahaleotena misahana ny kolikoly (Bianco) mba hanao fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha.

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT