Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
haroso tsy ho ela ary angatahana fankatoavana eny anivon'ny Parlemanta ny volavolan-dalàna mikasika ny ady amin'ny famarinana olombelona sy ny karazana fanararaotana maro samihafa. Hanamafisana ny sazy ho an'ny mpanao heloka sy manoloana ny fivoaran'ny tranga azo sokajiana amin'izany no tanjona. Efa mipetraka ny paikady entina manampy ny Malagasy mamaly tolotrasa any ivelany, ary atao vaindohan-draharaha ny fanamarinana ireny tolotr’asa avy any ivelany ireny, ho fiarovana ny mpiasa malagasy, hoy ny Praiminisitra. Efa misy ihany koa, hoy izy, ny fanentanana ireo Malagasy maniry hiasa any ivelany hanaraka ny lamina rehetra mifandraika amin'izany. Maurice, Comores, Canada, Jordanie, France, Seychelles, ary Allemagne no firenena vahiny be mpiasa malagasy indrindra hoy ny tatitry ny Lehiben’ny Governemanta Malagasy. Ny tenany izay tsiahivina fa Fonksionera teo anivon’ny Sampan-draharaha eran-tany mikasika ny asa teo aloha. Tsara ny heverina fa finiavana apetraky ny Fanjakana amin’io lafiny io, saingy mampanongo tena ihany hoe : ny fanamorana ny fahafahana mamaly ireo tolotr’asa avy any ivelany sy ny ady amin’ny famarinan’olona ve no tena vahaolana sa ny fampiroboroboana ny famoronan’asa eto, fampiakarana ny toekarena sy ny fari-piainana hitovy amin’ny any ivelany,… ? Tsy misy Malagasy haniry ny handao an’i Madagasikara izay tena betsaka ny mivarotr’aina ny amin’izany raha tena mahomby ny Fanjakana, raha tena mahomby ny politika ara-toekerana sy ara-tsosialy,... Matoa betsaka ny mihazakazaka mitady làlana any ivelany izay maro aza ny tsy ananany antoka akory, tsy hoe asa ambony sy mendrika ny ankamaroany fa na hanao mpiasa trano aza dia heveriny fa mety velona sy miaina kokoa izy any noho ny eto. Sanatrian’ny vava toa zary mitady làlana handosirana an’i Madagasikara izay isan’ny fositra voalohany ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra, manjavozavo ny ho avin’ny Firenena, miha fadiranovana sy tompony mangataka atiny eto amin’ny taniny ny Malagasy,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.