Tafody eto Madagasikara ny 5 jona teo ireo malagasy miisa 9
niharan’ny famarinan’olona tany Kameronina. Nampanantenaina izy ireo, raha ny fanazavàna, fa misy asa mifandraika amin’ny filàn’izy ireo tany an-toerana saingy tsy izay anefa no zava-nisy rehefa tonga tany izy ireo. Nisy namako, hoy ny tovovavy iray niharan’izay famarinana olona izay nijoro vavolombelona, niteny tamiko fa misy asa amin’ny hopitaly tany. Napetraky ry zareo tamin’ny hotely, hoy izy, tamin’ny voalohany dia avy eo nolazainy indray hoe mila mandoa vola. Vola 1300 Euro no nalaina taminay. Voaloha iny vola iny vao afaka nandeha tany amin’ilay fiasana. Rehefa nandeha nefa ny tafa na «entretien» dia hoe mila manafatra olona miisa 6 hafa koa izahay fa ilay 1300 Euro hividianana anjara ho anay amina orinasa iray. Mila mitady olona hiditra ao anatin’izay koa izany ianao. Rehefa vita ny fampahafantarana an’izay dia nentin-drizareo tanaty trano izahay. Trano tsy misy fandriana, tsy misy na inona na inona fa Wifi fotsiny. Mofo baolina sy tsaramaso no nomen-drizareo anay ny maraina. Ny atoandro tsy omen-drizareo hanina. Ny hariva, zara fa mihinana vary miaraka amin’ny Karaoty sy tsaramaso maitso ary trondro maina kely. Asain-drizareo manafatra olona indray koa avy eo izay olona tonga ao. Handaingan-drizareo ny olona tonga rehetra. Lazainy fa arakaraky ny diplaoma ny asa nefa isan’andro avy eo ampianariny foana hoe olona ho ampiana hisondrotra amin’ny fiainana no alaina mankaty fa tsy ho ampijaliana. Manomboka amin’ny 9 maraina izahay hampianariny hoe izao no fomba fandresen-dahatra olona dia ravàna amin’ny 12 atoandro. Ampidiriny amin’ny 3 dia ravàny amin’ny 6 indray avy eo. Izaho moa tonga faharoa amin’ny farany. Misy tao efa lany Visa na fe-potoana ahafahana mipetraka any nefa tsy avaozin-drizareo. Nanontany sy nisy fotoana nifamaly tamin-drizareo aho. Manana havana any Kanada moa aho dia niteny taminy ny zava-misy na dia noraràn’ireo olona naka anay tsy hiteny amin’ny havana aza hoe tsy misy asa any Kameronina fa fiofanana 3 volana sy fampitadiavan’olona isaky ny mihetsika. Misy Frera naman’ilay havako moa tao Kameronina dia io no nampiresahiny tamiko dia io indray avy eo no nitondra tany amin’ny fikambanan’ny malagasy monina ao an-toerana. Ny zandary no naka anay tao vao afaka izahay, hoy hatrany ity nijoro vavolombelona ity. Ny oktobra 2024 no efa tonga tany an-toerana ny andiany voalohany tamin’ireto niharan’ny famarinana olona ireto, hoy ny fampitam-baovao. Teratany malagasy sy kaongoley no niray efitrano tamin’izy ireo. Teratany kameroney miisa 3 no nitazona sy nanasa atidoha azy ireo isan’andro. 8 volana taty aoriana vao tafaverina eto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny OIM na ny rafitra iraisampirenena momba ny fifindra-monina, ny fanjakàna kameroney no nahafahana namerina azy ireo eto an-tanindrazana indray, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.