Famarinana olombelona

Sarona ny tambajotra iray mpanondrana vehivavy


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Mbola misy hatrany fa tsy mety foana ireo tambajotra mpamarina olombelona eto amintsika.

Vehivavy Malagasy no tena lasibatra amin’izany, alefa hanambady tera-tany vahiny izay tsy araka ny fampanantenana nomena azy akory. Tsy maintsy manambady lahiantitra, tsy vady iray ihany koa, miaritra herisetra ara-nofo, ara-batana, ara-tsaina, misitri-belona voageja pasipaoro, misolosolo lehilahy vadiana ary mitondra takaitra. Tsy avela hifandray amin'ireo ray aman-dreny sy havana na any ivelany na eto Madagasikara no sady tsy omena finday koa. Misy ireo mamoy ny ainy mihitsy vokatr’izany.Izany no iainan'ireo tovovavy lasa any ka dia nitaraina tamin'ny alalan'ny Hafatra miafin'ny CIRGN Antananarivo izy ireo mba handray andraikitra. Ankoatra ny fampanantenana fa hanam-bady vazaha ireo tovovavy dia hamidy volabe avy amin'ireo vahiny any ivelany ireo Malagasy izay mitentina 10 ka hatramin’ny 25 tapitrisa Ar. Mbola hakàna vola koa anefa ireo Ray aman-dRenin'ireo tovovavy tadiavin'ireo tambazotra. Vehivavy miisa 5 moa no tompon’antoka tamin’izany ka manana ny asa sy andraikitra ambony ny iray izay miara-miasa amin’izy ireo. Namoahana didy fangatahana fisamborana iraisam-pirenena ihany koa moa ireo mpiray tsikombakomba monina any ivelany izay mpitady vazaha sy mpandray ireo tovovavy Malagasy alefa hamidy any an-toerana.
Pati
Legende : Ireto izy 5 mirahavavy efa tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT