Tsy ho ela dia hahaleotena amin’ny fitsirihana nomerika ny toetr’andro eto Madagasikara ny sampana famantarana ny toetr’andro na Meteo Malagasy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavana eo anivon’ity sampana ity.
Avo lenta mitaha amin’ny hatrizay noho izany ny resaka hafainganana sy kalitaon’izay fomba famantarana toetr’andro eto amintsika izay. Izy io dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampitam-baovao momba ny toetr’andro ahafaha-misoroka ny loza voajanahary aty amin’ny lafin-tany atsimon’i Afrika na ilay hoe SARCIS-SADC, hoy ny fanazavana. Mba hahatongavana amin’izay fivoarana izay moa dia notoloran’ity tetikasa ity fikajiana avo fahatakarana HPC na “Calculateur haute performance” ny Meteo Malagasy. Ankoatry ny fanomezana kalitao ireo vaovao momba ny toetr’andro ho amin’ny endriny nomerika kokoa dia hitohy any amin’ny fahafaha-mamantatra mialoha ny mety ho fipetraky ny toetr’andro amin’ny ho avy ity fidirana amin’ny fahaleovantena nomerika ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.