Famalifaliana etsy Antaninarenina

Haharitra hatramin’ny 7 janoary


  • Talata 26 Desambra 2023

Am-pifaliana sy am-pitiavana, na andraisanay mianakavy anareo eto amin’ny

lapan’Ambohitsorohitra. Toy ny tamin’ny herintaona dia nosokafana mba ho azon’ny rehetra hotsidihana ny lapam-panjakana amin’izao fankalazana ny Noely izao. Satria ny krismasy dia fotoana natao hifampizarana hafaliana, fitiavana sy fanomezana.
Noravahana jiro sy hazavana ny lapa satria natao hitondra fahazavana sy fanantenana izao fety iarahantsika mankalaza izao. Mino sy manantena izahay fa ny jiron’ny krismasy dia hanazava ny tsirairay, hanazava ny fiainantsika ary indrindra hanazava ny fiainam-pirenena ihany koa. », hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny sabotsy teo, raha nanokatra izany ofisialy izy sy ny vady aman-janany ny 23 desambra. Haharitra hatramin'ny 7 janoary moa ny firehetan'ny jiro eny Antaninarenina. onga nanokatra izany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany ny 23 desambra 2023.
Ankoatra ny firarian-tsoa, nizara kilalao ho an'ny ankizy, narahana seho an-tsehatra. Misokatra isan’andro ho an'ny rehetra koa ny zaridainan'Ambohijatovo amin'izao vanim-potoan'ny fety izao, ankoatra ny ao Antananinarenina sy ny manoloana ny lapan'ny tanàna Analakely, raha ny fanazavana. Miatrana eny amin'ny toerana ahitana olona maro koa ny mpamonjy voina, ankoatra ireo polisy monisipaly manodidina ny 650 mandrindra ny fifamoivoizana manakaiky ireo toerana ireo. Tsy azo ivezivezen'ny fiara kosa manoloana ny lapan'ny Tanàna Analakely hatramin'ny 2 janoary, manomboka amin'ny 5ora hariva. Ilaina koa ny fitondrana karapanondrom-pirenena mandritra ny fivezivezena, indrindra amin'ny alina, na ho an'ny mponina eto an-toerana na ho an'ny mpivahiny, araka ny fandaminana. Mba mandeha izany ny fampifalifaliana andro fety mba hanadinodinoana ny krizy, delestazy, rano tsisy, sandam-bola midangana,… Mba mifalifaly herinandro tahaka ny tamin’ny propagandy fa ny 5 taona mbola baraingo ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT