Famaizana teny amin’ny

SOMACOU Olona 2 no maty hotohoton’ny afo


  • Alarobia 04 Martsa 2026

Olona miisa 2 no fantatra fa maty

rehefa may tanteraka tamin’ny famaizana nitranga tao amin’ny trano fitehirizana kapa tao ambadiky ny orinasa mpamokatra bodofotsy SOMACOU eny Manjaka, kaominin’Ankadikely Ilafy ny harivan’ny alatsinainy teo, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Araka ny tatitra avy amin’ny mpiambina sy ny mpitandro filaminana dia may tanteraka ireo niharam-boina. Tsiahivina fa tokony ho ny alin’ny alatsinainy 2 martsa teo, nanodidina ny tamin’ny 7 ora tany ho any no nahitàna firehetana ity toerana tao ambadiky ny SOMACOU ity, raha ny angom-baovao voaray. Somary nanano sarotra ny nahazo ny sampana mpamonjy voina, hany ka efa niitatra ny afo. Niezaka nanao izay ho afany ny fokonolona teny an-toerana nandra-piandry izany saingy izao tsy nisy afaka noraisina izao no sady namoizana ain’olona 2 izany ny toerana. Nanodidina ny tamin’ny 7 ora sasany hariva tany ho any no voalaza fa nanomboka nifehy ny afo ny sampana mpamonjy voina na «pompier», raha ny fampitam-baovaon’ireo nanatri-maso teny an-toerana hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT