Ny resaka Tsimiroro sy Bemolanga, ny fampiasana menaka mavesatra iaraha-miasa amin’ny Madagascar oil,
ny fitrandrahana ny rano sy masoandro, santionan’ireo teny manan-danja na «mots clés» nentin’ireo manam-pahaizana momba ny angovo sy ny tontolony efa maherin’ny 16 taona izao izany rehetra izany mba hanairana ny sain’ireo mpitondra nifandimby hamahana izay olan’ny angovo eto Madagasikara izay. Ny famahana ny olan’ny herinaratra sy rano moa izao no tena ifantohan’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo, ankoatran’ny resaka solika, hoy ireo mpanao politika. Tsy famahana ny olan’ny jiro sy rano ihany akory aza no ifantohan’ny fitondràna Rajoelina, raha ny fihetsika politikany no jerena, amin’ity resaka fizaràna jiro isaky ny kaominina ity kanefa dia tena midadasika izany atao hoe angovo izany. Hany ka lasa fahazarana ho an’ireo tomponandraikitra mihitsy ny milaza hoe fahatapahan-jiro rehefa tokony hiteny hoe fahatapahan’ny herinaratra satria tsy ny jiro fotsiny no tapaka amin’iny fotoana iny fa na inona na inona fitaovana mandeha amin’ny herinaratra rehetra dia tapaka avokoa na fahitalavitra io na vata fampangatsiahana na vatoaratra amin’ireo fitaovana samihafa toy ny finday sy solosaina. Ny olan’ny rano moa dia ireny nampihaotra loha ny mpanara-baovao ireny mihitsy ny naheno ilay hoe tsy mahatosika noho ny rotsak’orana ireny. Tsy nisy izay tsy lasa saina hoe lojika ve izany hoe tapaka ny rano nefa tondraka ny rano vokatry ny rotsak’orana? Heverina, noho izany, fa goavana ny finiavana politika andrasana mikasika izay famahana ny olan’ny herinaratra sy rano eto Madagasikara izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.